TARATRY ny KANTO

“Revy Mahaleo” etsy amin’ny La Balançoire Ala­ro­bia. Taorian’ny tsodrano nomen’i Dama sy i Bekoto, daty maromaro avy hatrany no noraiketin-dry Taranaka. Hanomboka izany ny anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Mazava loatra fa hiran’ny Mahaleo avokoa no hovelomin-dry zalahy taranaka ireto, mandritra izany.
Faith etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ity fiarahana anio ity. Hanasana ireo mpankafy sy liana amina karazana mozika Malagasy izy io. Mety anarana vaovao mantsy, kanefa mpanakanto tena manan-kozaraina raha i Faith. Fampahafantarana izany indrindra ny anio.
Hivoaka ny Renivohitra ny hetsika ao anatin’ ny “Herinandron’ny kabary”, manomboka anio. Amin’ny 9 ora sy sasany, alavoly sy fanatanjahantena. Ny hariva mitehan-ko alina, “Takarivam-pirahalahiana”, eny amin’ny Espace Omaho Avaradrano. Rahampitso, tanterahina eny Ambohimanga Rova ny tsidi-bohitra. Samy natao ho an’ny rehetra avokoa ireo.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Hary Rabary, Malagasy mpanoratra. Anisan’ireo asa soratra, boky, manana herijika handrombaka ny « Prix Ivoire de la littérature africaine francophone », andiany faha-16, ny boky « Za Koa », nosoratan’i Hary Rabary. Tafiditra ao anatin’ireo hiatrika ny dingan’ny famaranan’ity fifaninanana ity ny « Za Koa ».

Partager sur: