Tokely Justin : “Vonona hiady amin’ny kolikoly ny depiote”

Nanao fanambaram-pananana ny solombavambahoaka, omaly. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimerampirenena, i Tokely Justin.

“Zava-dehibe ny fanaovana fanambaram-pananana, hanaporofoana fa vonona hiady amin’ny kolikoly ary tsy hanao izany kolikoly izany ny solombavambahoaka”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm­panorenana (HCC), Am­bohidahy, omaly, tamin’ny fametrahan’ny depiote 58 fanambaram-pananana. Maro ny asan’ny depiote: fanaovana lalàna, fanaraha-maso sy fanaovana tombana ny asan’ny governemanta. Misy ny fifandraisana amin’ny sokajin’olona samihafa, ka tokony hotandremana ny resaka kolikoly. Mila hajaina koa ny lalàna. Izay no maha zava-dehibe ny fanaovana fanambaram-pananana. Ho fanajana ny And. 41 ao amin’ny Lalàm­panorenana sy ny And. 49 ao amin’ny lalàna fehizoro, lah 2014-035, milaza ny tokony hanaovan’ny depiote fanambaram-pananana alohan’ny handraisan’ny asany maha solombavambahoaka azy. Izay no nanaovan’izy ireo fa­na­mbaram-pananana, ha­nam­barana amin’ny vahoaka fa vonona hanao asa madio sy an-kitsim-po amin’ny fanompoana ny firenena ny depiote voafidy farany teo.
“Ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra no miara-miasa amin’ny fananganana governemanta”, hoy kosa izy momba ny fananganana governemanta. Tsy misy andinin-dalàna milaza hoe tsy maintsy amina fe-potoana voafetra ny fananganana governemanta. Marobe ny zavatra tsy maintsy dinihina sy alamina ao anatin’izay. Aleo avela malalaka ho tony tsara ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra amin’izay fananganana governemanta izay.

R. Nd.

Partager sur: