VAOVAO TAMBATRA

Hihamafy ny delestazy, satria mihena hatrany ny herinaratra vokarin’ny Jirama. Antony, latsaka 2,2 metatra oharina amin’ny haavo azo ampiasaina ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka, ka kely ny tosiky ny rano. Haharitra adiny iray ny fanapahana manomboka amin’ny 1 ora-5 ora hariva, ary adiny 2 ora amin’ny 11 ora alina-4 ora maraina.

Manana ny tetikasa Diosezy maitso ny fiangonana Katolika, mifantoka amin’ny fambolen-kazo sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Natomboka ny 13 aogositra teo, tany Antsiranana, ity tetikasa ity, ka ao anatin’ny diosezin’Antsiranana, ny fiangonana Antsiranana I sy II, Ambilobe ary ny faritra Sava no hanatanterahina izany.

Miisa 28 260 ireo mpizahatany tonga nitsidika an’i Madagasikara nandritra ny volana jolay teo. Ambony izany raha oharina tamin’ny taon-dasa izay 25 555 saingy ambany ihany raha oharina ny tamin’ny taona 2019 izay tafakatra hatrany 34 229. Mitaky ezaka maro ny fanarenana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara.

Milatsaka ho 3 200Ar ny kilaon’ny lojy fotsy (Black Eyes) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena raha toa ka nahatratra 4 000Ar izany teo aloha. Mitotongana ny vidin’ny vokatra noho ny famerana ny fotoana ny fanondranana izany. Mazàna ny volana aogositra sy septambra vao manondrana ny lojy fotsy ny avy amin’ny faritra Boeny.

Partager sur: