Manodidina ny 3 ka hatramin’ny 5 t/ha ny vary manitra miakatra ao Antsiranana II. Mahatratra hatrany amin’ny 250 taonina isan-taona kosa ny vokatra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny koaperativa Vary manitra Diego II. Manomboka mahasarika ny Malagasy ity karazam-bary ity raha toa ka ireo teratany vahiny sy ny trano fisakafoana lehibe no tena manjifa izany teo aloha. Nahatratra hatrany amin’ny 5 taonina ny vokatra nentin’ireo kaoperativa teto an-drenivohitra, nandritra ny Tsenabe iraisam-pirenena ara-toekarena eny ambanivohitra (Fier-Mada) raha toa 1 taonina monja izany tamin’ny taon-dasa. Miavaka, hoy izy ireo, ny vary manitra vokarina ao Antsiranana II, mbola hita ao aminy ny singa maha vary manitra azy, eo koa ny hatsaran’ny voam-bary sy ny fofony.
Miteraka asa
Hitady lalam-barotra eto an-drenivohitra no anton-dian’ireo kaoperativa avy ao amin’ny kaomina Anivorano ireo. Mampiroborobo ny fananana asa ny fambolena any an-toerana noho izy rafitra mifampiankina. Telo taona izay no nijoroan’ny kaoperativa ao Anivorano ary miisa 166 ireo mpikambana izay efa mamokatra avokoa ny ankamaroany. Ankoatra ny lalam-barotra, miezaka mitazona ny kalitaon’ny vokatra ny kaoperativa mba hampiavaka ny voka-pamboleny amin’ny hafa sy hitazomany ny kalitaony. Maro, hoy izy ireo, no efa manafangaro ny vary manitra amin’ny vary hafa.
Ankilany, niakatra ho 33 000Ar ny 5 kilao amin’ny vary manitra raha toa ka 30 000Ar izany teo aloha, hoy ny mpandraharaha iray. Mahatonga izany, hoy izy, ny faharatsian’ny lalana sy ny fitaterana ny vokatra.
Henintsoa Hani