“YALI Mandela Washington Fellowship”: vatsim-pianarana ho an’ny tanora aty Afrika

Nisokatra nanomboka oma­ly ny fisoratana anarana hahazoana vatsim-piofanana “Yali Mandela Washington Fellowship 2025”. Fandaha­ranasa napetraky ny governemanta amerikanina, hanohanana ny tanora afrikanina mpitarika. Tiliana amin’izany ny tanora mpitarika 25 hatramin’ny 35 taona izay mampiseho fahaiza-mitarika sy fahafoizan-tena ho fampandrosoana. Hifantina tanora mpitarika 700 isa aty amin’ny faritr’i Afrika Atsimon’i Sahara ny masoivoho amerikanina, amin’ity taona ity. Tanora mpitarika misongadina sy nanova zavatra ary nitondra fivoarana avokoa izy ireo, raha ny fampahafantarana navoakan’ny masoivoho amerikanina, omaly. Hianatra momba ny fahaiza-mitarika mandritra ny enina herinandro any amin’ny oniversite amerikana ireto tanora ireto. Hianarana, mandritra izany, koa ny fandraharahana, ny fitantanana fikambanana, ny rafitra tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Mbo­la handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony hatao any Washington, D.C, ihany koa ireo mpisitraka. Rehefa vita ny fiofanana, hahazo tohana avy amin’ny Departe­mantam-panjakana amerikanina ireo mpandray anjara amin’ny “Yali Mandela Was­hin­gton Fellowship”. Mba hampandrosoana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny asa. Ankoatra izay, vonona hanohana ny tanora afrikanina ny masoivoho amerikanina. Tanjona ny hampiroborobo ny fihariana sy ny fitantanana ny demokrasia ary ny fandriampahalemana aty Afrika. Efa folo taona izay no nisian’ny vatsim-pianarana “Yali Man­dela Washington Fellowship”.

Mino

Partager sur: