« Atsika misôma vakansy »: hisy ny filalaovana katro sy fanorona

Anisan’ireo kilalao hita eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, anio, mandritra ny « Tontolo andro misôma », ao anatin’ny hetsika « Atsika misôma vakansy » ny katro sy fanorona. Hisy ny fampahafantarana sy ny fampianarana ary filalaovana ireto kilalaon-tsaina ireo mandritra izany. Ankoatra ny fampialana voly ao anatin’izao fialantsasatra izao, tanjona koa ny hampiroborobo ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy.
Kilalaon-tsaina maro samihafa no hita mandritra ny “Tontolo andro misôma”. Anisan’izany ny katro, ny fanorona, ny Dominoes, ny ludo, ny jeux de cartes…. Nisy ny antony manokana nisafidianana ireo karazana lalao ireo, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Ho an’ny katro sy ny fanorona manokana. Anisan’ ny mitaiza ny sain’ny mpilalao hahay hitantana ny katro. Manefy ny sain’ny mpilalao azy hanana paikady mahomby, hiatrehana trangan-javatra iray kosa ny fanorona.

Lin

Partager sur: