Fampandrosoana eny ifotony: hofanina ireo mpitantana ny kaominina

Miditra amin’ny andiany fahatelo ny Paikady fampandrosoana eny ifotony anivon’ny kaominina, izay tafiditra anatin’ny fanohanana sy famatsiam-bola ataon’ny va­hoaka amerikanina, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). Ny Pnud eto Madagasikara no manatanteraka izany amin’ny tetikasa Rindra hifarana amin’ny taona 2026. Faritra dimy no hiasany, amin’ny kaominina miisa 100, fa mety hisy hihintsana an-dalana rehefa tsy mahafeno fepetra. Nisy ny fampahafatarana ny tetikasa ary nitohy tamin’ny fampiofanana ara-kajy mirindra sy fampiasana solosaina, ny volana mey lasa teo. Andiany faharoa ny fampiofanana momba ny fitantanam-bola sy fampidiram-bola ary ny fomba fandrafetana tetibolan’ny kominina, miankina amin’ny filan’ny vahoaka ao aminy.
Ho an’ny faritra Analan­ji­rofo, natomboka ny alatsinainy lasa teo ary hifarana rahampitso, ny fampiofanana andiany fahatelo mahakasika ny fitantanana ny fitaovam-panjakana, ny fomba fividianana azy… Anisan’ny hiakaran’ny mpitantana teo aloha fitsarana ny tsy fahitana fitaovana. Nohamafisin’ny mpandrindram-paritra ny tetikasa Rindra Analanjirofo, Jean Richard, fa tanjona ny hanamafisana ny fifampitondrana eto Madagasikara.

Sajo.

Partager sur: