Fanampiana ny maha olona: tanjona ny hamonjy sy hiaro aina mandritra ny hamehana

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanampiana ny maha olona ny 19 aogositra, hanomezan-danja ireo mpisehatra eny ifotony mitondra izany fanampiana izany ho an’ny vondron’olona marefo rehefa ao anatin’ny hamehana.

Firenena fahafolo maneran-tany misedra ny vokatry ny rivodoza, isan-taona, i Madagasikara ary voalohany aty Afrika. Manana rafitra napetraka ny fanjakana eto Madagasikara mitantana ny fandrindrana ny loza sy ny tandindon-doza, miara-miasa amin’ireo mpiray ombon’antoka samihafa, ma­nohana ny fanampiana ny maha olona mandritra ny fiatrehana krizy. Efa misy rahateo ny politika sy ny paikadim-pirenena hitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto amintsika. Ny BNGRC no rafitra mandrindra ny asa rehetra ho famaliana ny hamehana sy hitondrana ny fanampiana ny maha olona amin’ny sehatrasa valo (fahasalamana, fanabeazana, rano-fanadiovana-fidiovana, fanjarian-tsakafo…). Maro ireo mpisehatra eny ifotony mitondra ny fanampiana ny maha olona: voalohany ny fanjakana, manampy azy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, ireo ONG (Croix Rouge Malagasy), firaisamonina sivily, sehatra tsy miankina. Tanjona ny hamonjy sy hiaro aina amin’ny asa rehetra atao.

Sorohina ny VBG sy ny vohoka tsy irina
Iray amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misehatra amin’ny fitondrana fanampiana anatin’ny hamehana ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Andraikitra sahaniny ny fametrahana rafitra hiatrehina ny hamehana momba ny fahasalamana ara-pananahana (SSR). Zava-dehibe koa ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, indrindra eny anivon’ny toeram-pandraisana iombonana ho an’ireo olona voatery mifindra monina anatin’ny fotoana voafetra. Eo koa ny fisorohana ny vohoka tsy irina sy ny fanalan-jaza vokatr’izay sy ny fikarakarana ireo vehivavy mitondra vohoka. Efa manana kit ho an’ny mpiteraka, kapaoty apetraka eny amin’ny toeram-pandraisana ary fanafody ARV ho an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH ny ekipan’ny UNFPA eny ifotony mandritra ny hamehana.

Vonjy

Partager sur: