“Ambanja rendez-vous”, hoy ny hiran’i Tianjama izay. Mpanakanto malaza maro no andrasana amin’ny “Festival Sôrogno” izay hotontosaina amin’io herinandro io.
Misomebiseby. “Efa maresaka ao Ambanja amin’izao fotoana izao. Miandry fatratra ny “Festival Sôrogno” ny rehetra, satria fotoan-dehibe ny fankalazana ny andiany faha-25 amin’ity”, hoy ny nambaran’ny solontenan’ny komity mpikarakara, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, ny alarobia teo.
Hotontosaina ny 22 hatramin’ny 25 aogositra tokoa ny “Festival Sôrogno” andiany faha-25, izay hatao ao an-tampon-tanànan’Ambanja. Hetsika ara-toekarena sy ara-kolontsaina anisan’ny tranainy sy lehibe indrindra any amin’iny tapany avaratra iny izy ity.
Natao hoe “Sôrogno-Cacao” ny anarany, satria manamarika hatrany ny fiakaran’ny vokatra cacao, izay mampiavaka sy fototry ny fihariana ao Sambirano izany. “Na dia somary nihena aza ny vokatra cacao tamin’ity, nahitana fiakarana kosa ny vidin’ny kilao ho tombontsoan’ireo mpamokatra sy ireo rehetra mivelona amin’ ny vokatra”, hoy hatrany ny fanazavana. Hisy fiantraikany amin’ny “Festival Sôrogno” izany mazava loatra, satria io ny fotoam-piravoravoana ho an’ny mponina rehetra any an-toerana.
Iray volana lasa izay no efa nanomboka ny fifaninanana ara-panatanjahantena rehetra, manodidina ny hetsika. Ny alakamisy 22 aogositra kosa ny alim-pandihizana fanokafana, izay hatao ao amin’ny La Piscine Ankatafahely. I Din Rotsaka hatrany no hanafana izany, ampian’i Rijade. Hotontosaina amin’io ihany koa ny fifaninanana “Miss” sy “Mister” amin’ity andiany ity.
Toy ny mahazatra, ao amin’ny Kianjaben’Ambanja ny andiam-pampisehoana isaky ny alina, ny zoma, sabotsy ary alahady. Mpanakanto malaza maro no hifandimby hanafana izany, toa an-dry Anicette, Rootsman, Rim-Ka, Anatal, Dadi Love, Kakabe Djino, Mirasoa, Amiral Killer, Sisca, Lico Kininike, Basta Lion, Ngiah Tax, Docteur Love, miampy ireo vao misandratra ao an-toerana. Mpijery manodidina ny 40 000 kosa no andrasana amin’ireo fotoana ireo.
Zo ny Aina