Eo am-piandrasana ny fanendrena ireo minisitra ny vahoaka, ankehitriny. “Amin’ny faran’ny herinandro ho avy ny governemanta”, hoy ny filoha Rajoelina raha nanontanian’ny mpanao gazety momba izany.
“Izaho mino fa amin’ny faran’ny herinandro manaraka dia hoezahintsika ny hivoahan’ny governemanta vaovao, taorian’ny fanendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian”, hoy ny filoha Rajoelina tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, afakomaly, taorian’ny fanatrehany ny fianianan’ny Tale jeneraly vaovaon’ny Bianco. Fito na valo volana no niasa ny governemanta. Noho izany, manao tombana izy sy ny Praimini-sitra. Tsy nisy filankevitry ny minisitra afakomaly. Jerena avokoa ny fanamby tokony ho notratrarin’ny minisitra tsirairay avy: inona ny vita na tsia?
Nandray ireo minisitra nametra-pialana ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra, teny Iavoloha, afakomaly ihany, araka ny fampahafantaran’ny fiadidiana ny Repoblika. Voatsiahy tamin’izany fa nanao fianianana tamin’ny vahoaka izy ireo hanatanteraka ny asa tokony hipaka mivantana amin’ny toe-piainan’ ny vahoaka malagasy. Maro ireo fanamby sy tetikasa lehibe napetraky ny filohan’ny Repoblika. Tokony ho hita taratra ao anatin’ny tomban’ezaka ny vokatra azo sy ny fandrosoan’ireo tetikasa goavana avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny. “Mitaky fanoloran-tena avy amintsika tsirairay avy ny asa fampandrosoana ary mametraka fitokisana tamintsika ny vahoaka hanasoa azy ireo sy hampandroso an’i Madagasikara. Koa raha mahomby ianareo dia miara-mahomby isika rehetra”, hoy ny filoha Rajoelina. Efa miroso amin’ny fandrafetana ny go-vernemanta ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminsitra. Tafiditra ao anatin’izany ny tomban’ezaka takina amin’ ireo minisitra hahazoana mametraka maridrefy mazava amin’ny asa vitan’izy ireo.
R. Nd.