INDRAY MIJERY

Ny taona 2018 sy 2020 no tena nahitana fahamaizana ala be indrindra teto Madagasikara, nahatratra 107 000 ha.Vinavinaina tsy ho lavitra io tarehimarika io ny mety hisy eto amintsika amin’ity taona ity, raha tsy misy ny fitandremana sy ny fepetra mifanaraka amin’zay. Manodidina ny 450 tapitrisa dolara isan-taona ny tomban’ny fahasimbana noho ny fahaverezana harena maro ao anatin’ny ala, toy ny fahasimban’ny haivoahary sy ny fahasimban’ny nofon-tany ary ny fiovan’ny tontolo iainana.
Nanolotra fiara hampiasain’ny Sampandra­ha­raha miaro ny sivily ao amin’ny kaominina Antsiranana ny Sampana mpamonjy voina any Vaucluse (Frantsa), ao anatin’ny tohana ho an’ny mpiray ombon’antoka. Ny Tafika frantsay no nitondra ny fiara hatrany La Réunion ary ny Astrolabe no nanatitra azy tany Antsiranana.
Hifarana rahapitso etsy amin’ny zaridainan’ Antaninarenina ny « Rodorodon’ny tantsaha», andiany faharoa. Hetsika nokarakarain’ny tokantrano tantsaha. Tanjona ny hijerena lalam-barotra ara-ekonomika, kolotoraly, sosialy, araka ny fangatahan’ireo tantsaha. Eo koa ny hahatonga ny tantsaha ho lasa “Agripreuneur”. Hofanina maimaimpoana ireo tantsaha sy ny mpikirakira ny tontolo ambanivohitra mandritra ny hetsika.
Hanomboka ny sabotsy izao hatramin’ny 24 aogositra ny fitsarana miaramila ho an’ireo tanora any amin’ny renivohi-paritany. Toa an’Antsiranana, Maha­janga, Toamasina, Fianarantsoa ary Toliara. Andrasana hanao izany ireo zatovolahy sy zatovovavy mizaka ny zom-pirenena malagasy. Teraka ny 1993 hatramin’ny 2005.

Partager sur: