Kolontsaina mihidy: ilaina ny manangana sekoly maro

Mitady sehatra ivelarana kanefa ny atolotra « mantamanta ». Na ireo efa hay, nanjary niova endrika, satria, notampohina na nolaroina zavatra hafahafa. Saika tratran’io tranga io avokoa ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara.

… Fa maninona no tonga amin’ny seha-pamotehana fa tsy tafapaka any amin’ny seha-pamoronana ny Malagasy, raha eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina no jerena? Anisan’ny valim-panontaniana mahafaoka be ny hoe: « satria tsy mba manana sekoly na toeram-pampianarana na toeram-piofanana ho an’ny kolontsaina sy ny zavakanto firy loatra i Madagasikara ». Hany ka samy manao izay heveriny fa mety.
Nosy goavana be ity, kanefa, azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny sekoly mampianatra mihira, mandihy, mitendry zavamaneno. Tahaka izany ihany koa, zara raha misy sehatra ahafahana mampita ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao mampiavaka ny Malagasy amin’ny hafa.

Ilaina ny manangana sekoly maro

Midadasika i Madagasikara. Maro be ny karazan-javakanto sy kolontsaina ary ny fomba amam-panao eto. Noho izany, tsy vahaolana ny manangana toeram-piofanana na fampianarana kolontsaina sy zavakanto any amina tanàn-dehibe fotsiny. Ilaina ny manangana sekoly (zavakanto, kolontsaina, fomba amam-panao malagasy …), eny ifotony. Any anivon’ny kaominina no tokony hahitany ireny ivontoerana ireny. Anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara mantsy ny fahasamihafana. Harena avokoa ireny, raha hay ny mitrandraka azy.
Mila manangana ivontoerana na foibe hoenti-mampita fahalalana momba ny zavakanto, kolontsaina, fomba amam-panao malagasy, sns, ny kaominina rehetra eto Mada­gasikara. Saingy, hatramin’izao, tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny ankamaroan’ny kaominina ny manatanteraka izany.

Miainga amin’ny kely ho vita

Tsy voatery hanao zavatra goavana be manaka-danitra. Ampifanarahana amin’ny zava-misy isaky ny kaominina ny ivontoerana hatsangana. Ny zavakanto, kolontsaina, fomba amam-panao malagasy, sns, mampiavaka ilay kaominina no ampianarina.
Miainga avy amin’ireo ivontoerana ireo no manatanteraka hetsika (fifanakalozana, fampahafantarana, fampisehoana…). Paika anisan’ny tsara indrindra hoenti-mitrandraka ny « harem-ben’ny kolontsaina sy ny zavakanto » eto madagasikara io raha hay ny mampiasa azy. Ho tafaverina amin’ny maha izy azy ihany koa ny Malagasy!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: