Misaona ny tontolon’ny mozika: nodimandry, halevina anio, i Rampal

Nodimandry ny alarobia 14 aogositra 2024, teo amin’ny faha-60 taonany Rakoto­malala Jean Pierre Rampal, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rampal, amin’ny maha mpanakanto mpihira azy. Taona vitsivitsy lasa izay no nanomboka narary ny tenany. Tao anatin’ny roa volana kosa no niombo izany aretiny izany ka nitarika izao fahafatesany izao. Efa eny amin’ny Kianja mitafon’An­koron­drano, nanomboka oma­ly tolakandro, ny vatana mangatsiakany, ary anio no hanatanterahina ny fandevenana azy, eny Ampanefy Atsimon­drano, aorian’ny sorona masina fanaovam-beloma azy ao amin’ny fiangonana Katolika SFX Antanimena.
Anisan’ireo nanorina ny tarika Rebika, ary andry iankinan’izany tarika izany raha i Rampal. Maro ny hiran’ny tarika no noforoniny sy nosoratany. Ankoatra ny feony, anisan’ny nampiaiky ny maro ihany koa ny fahaizany mamorona hira, na eo amin’ny feo izany na eo amin’ny tonony. “ Tompon’ny famoronan-kira, voakajiny tsara ny voambolana tena malagasy, ny firafitry ny fehezanteny rehetra. Tompon’ny feo, mafy tsy miolikolika fa mahitsy tsara amin’ilay famoronana…”, hoy i Heritiana, mpikambana eo anivon’ny tarika Rebika. Mpanakanto feno raha i Rampal. Sady mpihira mantsy izy no mpamorona ary mpandrindra ihany koa. Ny tarika Toko Telo no niatombohany, talohan’ny naha tao amin’ny tarika Rebika azy. “Fitia Madio”, “Tiako izy” ireo no hira anisan’ny nahafantarana azy.

Lin

Partager sur: