Olan’ny delestazy lavareny : handatsaka orana artifisialy ny Jirama

Handatsaka orana artifisialy ny Jirama, hitondrana vahaolana fohy ezaka hamahana ny olan’ny delestazy. Vina maharitra kosa ny hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro sy hanaovana tohodrano vaovao.

«Handatsaka orana artifisialy manomboka rahampitso 17 aogositra ny Jirama hampiakarana ny haavon’ny rano amin’ny tohodrano mamatsy ny tobim-pamokarana herinaratra sy hanamaivana ny fahatapahan-jiro mandritra izao vanim-potoan’ny maintany izao », hoy ny Tale jeneralin’ny Jirama, Ron Weiss, tao amin’ny fahitalavi-pirenena, ny alarobia teo. Efa mifampidinika amin’ireo mpiara-miombon’ antoka samihafa kosa ny Jirama ho vahaolana maharitra amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra vaovao mandeha amin’ny ma­soandro sy hananganana tohodrano vaovao any Ande­kaleka. «Roa amin’ireo groupe efatra ao Andekaleka no mbola vaovao tamin’ny fotoana nametrahana azy. Nisy ny tetikasa hananganana tohodrano vaovao saingy tsy tanteraka izany noho ny tsy fahampian’ ny fitaovana. Tsy ampy, araka izany, ny rano manosika ny milina efatra », hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny orinasa. Ha­haritra ela ny fametrahana ireo fotodrafitrasa saingy ilaina izany hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra manoloana ny fitomboan’ny filana angovo sy ny isan’ny mponina, hoy hatrany ny fanazavany.

Delestazy
Mbola hitohy, araka izany, ny fahatapahan-jiro mandra-pamahana ny olana. Tapaka ora iray eo anelanelan’ny amin’ ny 2 ora tolakandro hatramin’ ny 5 ora hariva ny herinaratra. Hitohy kosa izany eo anelanelan’ny 11 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina. Notsindrian’ny Tale jeneralin’ny Jirama fa nidina hatrany amin’ny 40 MW ny famokarana herinaratra ao amin’ny tobim-pamokarana Andekaleka amin’izao main­tany izao, raha toa ka namokatra mihoatra ny 120 MW izany teo aloha. Mihena hatrany amin’ny 6 MW ihany koa ny herinaratra vokarin’ny tobim-pamokarana ao Mahitsy, raha nahatratra 20 MW izany teo aloha. Fantatra fa miantraika amin’ny famatsian-jiro sy rano any amin’ny faritra ihany koa ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: