Razakamanantsoa Gaby Nestor : “Tsy fampitahorana ny vahoaka ny Bianco”

Tontosa ny alarobia 14 aogositra 2024 ny lanonam-pitsarana, fianianan’ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) vaovao, Razakama­nantsoa Gaby Nestor. Teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy no nanatanterahana izany. Manampahefana maro sy tomponandraiki-panjakana samihafa isan’ambaratonga no tonga nanome voninahitra teny an-toerana. Anisan’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Taorian’izay, nisy ny fifamindram-pitantanana teo amin’ity tale vaovao ity sy ny teo aloha, Andrianirina Laza. Raha tsiahivina, ny didim-panjakana lah. 2024- 1 498, ta­min’ny 7 aogositra 2024 ma­nafoana ny didim-panjakana lah. 2019- 1417, tamin’ny 25 jolay 2019 no nanendry an-dRazakamanantsoa Gaby Nestor, ho eo amin’ny toeran’ ny tale jeneralin’ny Bianco. Marihina fa maharitra 5 taona ny fe-potoam-piasany.
“Iombonana io ady amin’ ny kolikoly io ary tsy natao ho fampitahorana ny Bianco fa natao hanampy ny vahoaka”, hoy Razakamanantsoa Gaby Nestor, tale jeneraly vaovaon’ ny Bianco. Vonona tanteraka hamerina ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ireo rafi-pitantanana isan-tsokajiny ka hanamafy ny fangaharaharana ary ny ady amin’ny kolikoly ny tale jeneraly vaovao. Naneho ny fahavononany hanatontosa ny fanamby napetraka hiadiana amin’ny kolikoly ihany koa ny tenany, raha ny nambarany. “Fanamby ny hiady amin’ny kolikoly amin’ny endriny rehetra. Laharam-pahamehana andrasana amin’ny Bianco ny ady amin’ny fangalarana tany sy ny fandravana ireo tambajotra mpangalatra tany manerana ny Nosy”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Lin

Partager sur: