Tanterihana eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina nanomboka ny 14 ka hatramin’ny sabotsy ny « Rodorodon’ny tantsaha », andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena hampandrosoana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanjona ny hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka hanao tantsoroka ny tantsaha. « Miantraika mivantana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny krizy iraisam-pirenena », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratoharijaona Rakotoarisolo Suzelin, nandritra ny fanokafana ny hetsika, ny alarobia teo. Tokony hanodim-bokatra, araka izany, ny tantsaha fa tsy hijanona ho mpamokatra. Anisan’ireo paikady apetraky ny tokantrano tantsaha (Foyers des Paysans), mpikarakara ny hetsika ny hamolavola tantsaha ho lasa Agripreneur. « Volavolaina ara-tsaina sy omena ny fahalalana rehetra sy ny kolontsaina mandraharaha ary ny fanabeazana ara-bola ny tantsaha mba hahafahany mivoatra sy manitatra ny lalam-pihariana ataony », hoy ny mpanao tantsoroka ny tokatrano tantsaha, Rakotovao Baritiana.
Tohana
Manome tohana ho an’ny tantsaha ny minisitera amin’ny alalan’ireo tantsoroka samihafa, toy ny fanomezana zezika sy masomboly hampiroboroboana ny seha-pihariana. Marihina fa maherin’ny 80% ny Malagasy no miasa sy mivelona any ambanivohitra. Mamelona tokantrano hatrany amin’ny 3 150 000 ny lalam-piharian’ny fambolena sy fiompiana isan-karazany avy.
Lohahevitry ny hetsika amin’ity taona ity ny « Malagasy mifanome tanana ho an’ny fampandrosoana».
Henintsoa H.