Hetsika goavana maneran-tany ho an’ny tontolon’ny “jeux vidéos” ny “Tekken World Tour”. Sambany ny Malagasy no nandray anjara tamin’izany, tamin’ny alalan’ny « Moor1ng » (moraingy), andiany voalohany. Fifaninanana nampivondrona ireo mpilalao nasionaly io, izay notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Nahatratra 200 mahery ireo nandray anjara, ka anisan’izany ireo mpilalao iraisam-pirenena avy any Arabia Saodita, Pakistan, Frantsa ary Etazonia.
Notontosaina tetsy amin’ ny foiben’ny Star Andraharo kosa ny alarobia teo, ny fanomezana loka ireo mpandray anjara mendrika indrindra. Tanjona ho an’ny mpilalao tsirairay ny hanangona isa maro mba hahafahany mandray anjara amin’ny fifaninanana lehibe iraisam-pirenena. Fotoana iray ihany koa ho an’ny mpankafy “jeux vidéos” nahafahan’izy ireo nanaraka na nandray anjara tamin’ny fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy, lalao ady ary ny fampisehoana cosplay mahazatra. Manome fotoana sahady ireo mpankafy amin’ny “Moor1 ngy”, andiany faharoa, ny mpikarakara.
Zo ny Aina