Mazava iny ny resaka avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Efa andro vitsivitsy sisa andrasana amin’ny famoahana an’ilay governe…manta tsy mety masaka. Mba tsy ho manta mohaka rahateo, naka fotoana maharitraritra mihitsy ny mpiketrika nandrosoana ny afo. Efa eo am-piandrasana ny vary ho manitra ny olon-drehetra. Sasa-miadry ny mpandoatra sy ny handoarana.
Iza no ho tsara vintana hisitraka ity sakafo nokononkononina tamin’ny fomba miavaka? Tena nametraka fitsipi-dalao mazava ny mpifantina. Navoaka ny zotra sy fandaharanasa izay tsy maintsy harahana. Tsy misy mpanao be am-bosika fahatany ho tafiditra. Mila mahafehy ny pitsopitsony nofaritan’ny mpandroso sakafo. Asa, iza no ahazaka sy ahatelina io efa natolotra ambony latabatra io?
Raha ny tokony ho izy, mila olona vonona sy tena hiasa ny mpitondra amin’ity taom-pitondrana ity. Mila mpiara-miasa mahatoky, tsy handefona ivoho tahaka ny ankamaroan’ny sasany teo. Maromaro izay nomem-pahefana izay no tsy nahalala onona. Hany ka izy ireny no nahasahy nanao mpamosavy malemy sy namorika ny mpahandro sakafo.
Tsy afaka ny hanao fahadisoana tahaka ireny intsony, na hamita-tena amin’ny mpanao fiavin’ny tafara ny filohan’ ny Repoblika sy ny Praiminisitra. Tsy maintsy mailo sy malina amin’ny fisafidianana ny ho mpiray latabatra. Mba ho mpiara-misakafo, mitondra hevitra sy tolo-tsaina madio mandritra ny ady hevitra.
Iaraha-mahalala fa tsy ny fotoam-pitondrana izay haharitra efa-taona sy efa-bolana sisa no fototry ny ketrika, raha hametraka olona izao. Ilay hiatrehina ny 2028 no zava-dehibe sy ivon’ny zava-drehetra. Aiza kosa ve, vao 50 taona maherikely dia handeha hisotro ronono ny Filoha am-perinasa, ohatra? Sanatrian’ny vava ve dia tsy hisy mpandimby ny anaran-dray koa ny antoko TGV? Mila mahay mitsinjo vodiandro ho merika!
r.r