TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitsambikina avy eny ambony pylone, teny amin’ny kaominina Ala­kamisy Fenoarivo, afakomaly. Nanao fanahiniana namono tena izy, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Niezaka novonjena teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy.

Notanana vonjimaika any am-ponja ilay miaramila voarohirohy ho nanolan-jazavavy 12 taona tao Arivonimamo, afakomaly. Hiatrika fitsarana amin’ny 22 aogositra ho avy izao izy.

Partager sur: