VAOVAO TAMBATRA

“Fest’Ampefiloha”. Ho fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Cité Ampefiloha. Haka endrika fampisehoana goavana ankalamanjana izy ity, eo anoloan’ny Super U, anio sy rahampitso. Mpanakanto maro no hifandimby an-tsehatra, ahitana an-dry Agrad, Malm, Stéphanie, Princio, Bolo, Raboussa, Njakatiana, Iraimbilanja, Gastà, Dom Rasolo, Sivy Mahasaky, Tsiakoraka, Psykopasy, jeneraly, Ckoji, Princy, sns.

Feo Kanto, eny amin’ny La Teinturerie. Tsy ny vatana ihany no niha lehibe, fa niha matotra amin’ny mozika ihany koa ry Zazakanto. Efa lasa Feo Kanto ry zalahy, ary hiaka-tsehatra voalohany hitondra izay anarany izay, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Fanombohana tetikasa goavana io.

“Feo telo miaraka”, any Mahajanga. Kiady, Nanie ary Luk. Mpanakanto samy tompon’ny feo no ho tafaraka amina “cabaret” iray, ho fifalian’ireo mponina sy mpiala sasatra any mahajanga, amin’izao fotoana izao. Ao amin’ny Vatobe Mahajanga, eny amoron-dranomasina ny fotoana, rahampitso sabotsy 17 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora alina.

Inside, ao amin’ny No comment Bar. Toerana iray efa mahazatra ireo tia mitsirika mozika hafa ny NO Comment Bar etsy Isoraka. Anjaran’ny Inside indray rahampitso, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Miangaly ny mozika Rock izy ireo, saingy manana ny fanaovany azy manokana. Hisy tsy ampoizina amin’io.

Partager sur: