Voka-bary taona 2030: tanjona ny hahazoana 11 257 000 t

Fanamby hapetraky ny fitondram-panjakana ny hahazo voka-bary 11 257 000 taonina ho an’ny taona 2030. Name­traka ny paikaky nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny famokarana vary, andiany faha 3 (SNDR 3), ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Coalition for African Rice Development (Card) izay vatsian’ny Jica vola. Nisy ny atrikasa nanaovana jery todika sy tomban’ezaka ny seha-pamokaram-bary eto Madagasikara, ny alarobia teo, niara­hana tamin’ny Minae sy ny mpisolotena maharitry ny Jica, i Tanaka Kaori, sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo rantsa-mangaika eo anivon’ny tontolon’ny famokarana. Voaresaka, nandritra izany, ireo tondro hamaritana ny fampiroboroana ny voka-bary dia ny lafin’ny fambolena, ny velaran-tany hovolena, ny vokatra, ny fahavitan-tena ara-bary, ny fiatrehana, ny fanodinana, ny fifaninanana ary ny fampiroboroboana maharitra.
« Anisan’ny olana sedrain’ny tantsaha ny fiovaovan’ny toetr’ andro sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa manondraka lemaka », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana. Mahatratra 3 000 ha ny lemaka nohajarian’ny minisitera. Tanjona ny hampitomboina avo roa heny izany hatramin’ny faran’ny taona.

Henintsoa H.

Partager sur: