Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny telo lahy nitondra rongony roa gony tao amin’ny fokontany Tsimavaokely, kaominina Morondava, ny 13 aogositra teo. Nentina tao anatina Tuc tuc, nosakanan’ny polisy ny lehilahy iray niaraka tamin’ny mpamily. Nahitana gony miisa roa tao anatin’io fitaovam-pitaterana io. Nitsoaka avy hatrany anefa ilay lehilahy mpandeha raha toa ka tsy nihetsika teo ambonin’ny Tuc-tuc ny mpamily. Nosavaina, tratra tao anatin’ireo gony roa ireo ny rongony. Nentina natao famotorana ny mpamilin’ilay Tuc tuc. Nanao fikarohana ny polisy. Vokany, olona roa hafa voasambotra, afakomaly, tamin’ny 6 ora maraina. Tompon’ny rongony ny iray, raha toa ka ilay lehilahy nandositra tamin’ny fotoana nanakanan’ny mpitandro filaminana ny Tuc tuc nitondra azy ireo ny iray.
Tsiferana R.