Bakalorea-Fianarantsoa: 55,25% ny taham-pahafahana

Nivoaka afakomaly hariva, ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa. Manodidina ny 54,99 % ny taham-pahombiazana ho an’ny bakalorea ankapobeny. Mitsinjara toy izao: 57,67% % ho an’ny serie A1, 48,34% ho an’ny serie A2, raha 75,51 % ny serie C. 64,12 % kosa ny serie D. 65,02 % ho an’ny serie L, 74,02% ny Ose. 63,97% izany ho an’ny serie S. Mahatratra 59,16% kosa ny taham-pahafahana ho an’ny bakalorea teknika, tany an-toerana.

Anisan’ny namiratra tamin’ ireo voka-panadinana ny serie C, tany an-toerana. Taham-pahombiazana manodidina ny 75,51% izany. Manaraka izay ny Ose, mahatratra 74,02%.

Mitana ny laharana voalohany ny Oniversiten’i Fiana­ran­tsoa, Andrianjato, tamin’ny famoahana ny valim-panadinana bakalorea eto Mada­gasikara. Anton’izany ny fampiasana ny teknolojia, toy ny fampiasana fakantsary sy ireo fitaovana informatika isan-karazany, raha ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: