Depiote Zavamanitra : fanamby ny hampandroso an’i Fandriana

Tomefy olona ny kianjan’i Beapombo, Fandriana, omaly. Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy eo amin’ny toerana maha solombavambahoaka azy Andriamiharivolamena Zavamanitra.

Notontosaina omaly, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny so­lom­bavambahoakan’i Fan­dri­ana, Andriamihari­vola­mena Liva Zavamanitra. Ny filoha lefitry ny Antenimieram­pire­nena ho an’ny faritanin’i Fia­narantsoa no nametraka ny samboady ho marik’izany. Va­hoaka maro no nanotrona azy nandritra ny lanonana natao teo amin’ny kianjan’i Bea­po­mbo. Teo ihany koa ny tomponandraiki-panjakana, ireo parlemantera maro toy ny mpampakateny eo anivon’ny Anteni­mierandoholona. Nandritra ny lahateny nataony no nanambarany ny paikady entiny hampandrosoana ny distrikan’ i Fandriana nahavoafidy azy. Anisan’ny nisongadina ny fampanantenany ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-41 avy eo Kelikampona mihazo ny renivohitry ny distrikan’i Fandriana. Lalana izay tena mampikaikaika ny vahoaka noho ny haratsiany. Vo­nona hanatanteraka ny Poli­tika ankapoben’ny fanjakana rahateo izy.

Maro ny mpanohana
Tsy zoviana amin’ny vaho­akan’i Fandriana ny depiote Zavamanitra noho ireo zavatra efa nataony any an-toerana, efa ho 10 taona mahery. Misy rahateo ny ONG Zava­manitra, izay tohanan’ireo diaspora manerana an’izao tontolo izao, misehatra amin’ ny sokajin’asa maro. Anisan’ izany ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fambolena sy ny fiompiana, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy. Efa nisy, ohatra, ny famatsiana zezika 30 taonina sy zanak’akoho 2 000 isa, fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, dabilio 388 avy amin’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena. Teo koa ny zana-trondro, no­vatsian’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Ma­rihina fa teo ambany fitarihan’ny filoha lefitry ny An­te­ni­mierampirenena ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa ity lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny solombavambahoakan’i Fandriana ity.

Andry F.

Partager sur: