Distrika efatra ao Atsimo Andrefana: Vitsy ny fantsakana misy rano nefa mbola ahitana otrikaretina

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity, tany Toliara, ny vokatry ny fanadihadiana notontosain’ny ONG Sahi, mpiara-miasa amin’ny Unicef ao anatin’ ny tetikasa Mionjo. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.

Ho an’ny distrika efatra nohadihadiana: Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Andrefana, ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, 47,5% amin’ny toerana fakana rano ihany no azo ampiasaina, hoy ny fanazavan’ny Unicef. Ny rano alaina amin’ny 63% amin’ireo toerana azo kirakiraina ireo nefa tsy madio fa feno otrikaretina avy amin’ny diky. Nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny volana jolay lasa teo no nanisana ny toerana fakana rano mbola azo ampiasaina sy ny fomba fitantanana ny fantsakana. Nojerena manokana koa ny tahan’ny fahadiovan’ny rano alaina sy ny kalitaony. Tsy mitovy ny isan’ny fotodrafitrasa ahazoana misitraka rano amin’ireo distrika efatra niasana. 446 ny toerana nametrahana fitaovana fakana rano any ambanin’ny tany ho an’Ampanihy, 226 tao Betioky Atsimo, efatra ao Ankazoabo ary tokana monja ny ao Beroroha.
Tsy ny mponina ihany fa ny sekoly misy koa dia tsy afaka misitraka rano madio sy ireo fotodrafitrasa fanadiovana sy fidiovana, hoy ny tatitra taori­an’ny fanadihadiana. 23% amin’ny toeram-pampianarana ihany no manana rano madio ary 20% no ahitana fotodrafitrasa ho an’ny fanadiovana sy fidiovana. Ho an’ny toeram-pitsaboana, 25% no afaka mampiasa rano madio ary 2% no manana toeram-pivoahana azo ampiasaina. Rehefa tsara tantana ny fotodrafitrasa ho an’ny rano, fanadiovana sy fidiovana, maharitra ny fotoana azo ampiasana azy.

Hanaovana fanadihadiana ny any Anosy sy Androy

Tanjon’ny tetikasa Mionjo ny hametraka vahaolana maharitra ahafahan’ny mponina miatrika ny vokatry ny haintany any Atsimo. Tena zava-dehibe ny fahafantarana ny isan’ny fantsakana miasa, ahazoana manatsara ny fisitrahan’ny mponina rano.

Hanao fanadihadiana fanisana ny fantsakana miasa ho an’ny distrikan’Ambosary, Taolangaro, Betroka, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Antanimora ary Bekily koa ny tetikasa. Ho an’ny faritra Androy sy Anosy, hanampy ny tetikasa amin’ny toerana laharam-pahamehana amin’ny fampahazoana rano madio sy fametrahana fotodrafitrasa ho an’ny fanadiovana sy fidiovana izany.

Vonjy

Partager sur: