Dahalo roa lahy tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao Evato, anatin’ny kaominina Vohilengo, distrikan’i Farafangana, ny 13 aogositra teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanànan’i Betaikaomby, ny alin’ny 19 jolay tamin’ny 11 ora alina. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nanao ramatahora ny tompon-trano, nandratra olona tao amin’ny tokantrano lasibatra izy ireo. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Dahalo iray maty rehefa nifamaly tifitra tamin’ny zandary. Azo sambo-belona ny roa namany ka notanana am-ponja taorian’ny fampanoavana. Ankoatra io, nanao ampamoaka ny fokonolona momba ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana anatin’ny kaominina telo manodidina. Natolotr’izy ireo ny mpitandro filaminana ny roa lahy izay anisan’ny voasaringotra tamin’ny fanafihana niseho tamin’ny 19 jolay io. Aterina eny anivon’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Farafangana ireo olon-dratsy roa ireo. Atolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Tsiferana R.