Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamama, OMS, tamin’ity herinandro ity, fa hamehana ho an’ny fahasalamam-bahoaka, mahakasika izao tontolo izao, ny valanaretina Variole du singe miseho amin’ny firenena afrikanina maromaro. Noraisina ny fanapahan-kevitra noho ny fanahiana fa misy karazany mamono sy mifindra haingana (Monkeypox) mamely ny firenena afrikanina izay tsy mbola nisehoan’ny valanaretina hatramin’izay. Ny Foibe afrikanina misahana ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny aretina no nilaza fa hamehana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ity valanaretina ity taorian’ny fahatiliana tranga 15 000 sy fahafatesana 461 nanomboka ny fiandohan’ny taona hatramin’izao. Nitombo 160% ny taha ary 19% ny taham-pahafatesana raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa, hoy ny fanazavana.
Tany andrefan’ny République démocratique du Congo (RDC) no nahatiliana karazany vaovao amin’ity valanaretina ity. Misy firenena mifanakaiky aminy, toa an’i Burundi, Ouganda, Kenya, Rwanda koa efa nahitana tranga nefa tsy mbola nanambara amin’ny fomba ofisialy izany. Ahina ny mety hitaran’ny fiparitahan’ny valanaretina ivelan’i Afrika ka mampanahy tanteraka, hoy ny Tale jeneralin’ny OMS, i Tedros Ghebreyesus. Voafehy ny ankamaroan’ny tranga any RDC hatramin’izao. Ny fanambarana ny hamehana iraisam-pirenena dia tokony hanosika ny firenena maneran-tany handray fepetra hamerana ny fiparitahan’ny valanaretina, araka ny lalàna mifehy ny fahasalamana iraisam-pirenena.
Vonjy