Hanao volonandro ririnina ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, indrindra fa any amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany sy ny afovoany atsinanan’ny Nosy, ao anatin’ny roa andro manaraka. Hikorontana koa ny toetr’andro any an-dranomasina, amin’ny morontsiraka Afovoany Andrefana, Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo-Atsinanana.
Efatra ny fototry ny asa mifandraika amin’ny maha olona : maha olona, tsy fitanilana amin’ny fanantanterahana ny asa, fitoviana eo amin’ny olona hiantefan’ny asa ary ny fahaizana mahaleo tena mandritra ny dingan’ny asa. Miditra an-tsehatra ny fanampiana ny maha olona rehefa misy voina na loza.
Mikarakara ny « Salon de l’étudiant » 2024 ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, amin’ny alalan’ny CIDST izay ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahiany. Toerana roa no ahitana izany: ny 22- 24 aogositra eto Antananarivo, eny amin’ ny Lycée JJ Rabearivelo. Eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Toamasina, ny 30 sy 31 aogositra.