Faranana anio, ny « Herinandron’ny kabary » na ilay hetsika lehibe tanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) hoenti-mampivondrona sy manatevim-pahalalana. « Na teo aza ny fiatrehan’ny rehetra ny andavanandrom-piainany. Ho an’ity andiany faha-18 notanterahina teo anivon’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo ity, tratra ny tanjona. Nizotra tsara ny fanatanterahana ny fandaminana napetraka », hoy ny filoha mpanampy eo anivon’izany fikambanana izany. Manamafy izany ny nahitana fa ambohipihaonan’ny mpikabary Antananarivo. Nahitana ny faritany Fi.Mpi.Ma miisa fito eto an-toerana sy ireo avy any ivelany (Frantsa, Benelux…). Teo ihany koa ny fisian’ireo fanatevenam-pahalalana voarain’ny tsirairay. Anisan’ny nisongadina tamin’ireny ny fiofanana momba ny teknolojiam-pifandraisana. Teo ihany koa ny fanazavana ny oha-pitenenana samihafa izay niteraka adihevitra maro tany anaty tambajotran-tserasera isan-karazany.
Tsy hijanona anio, fa manana adidy hampita ny fahalalana norantoviny any amin’ny sampana na faritany niaingany ny tsirairay nahazo fiofanana nandritra ity « Herinandron’ ny kabary » ity, raha ny fanazavan-dRandimbiarison Herizo hatrany.
Marihina fa, anio, any Soavinandrinana Itasy, no hanatanterahina ny famaranana ny « Herinandron’ny kabary » andiany faha-18.
HaRy Razafindrakoto