Mila vonjy !

 

Mihazakazaka ny fihodin’ny ora sy ny minitra. Tapitra sahady ny fotoana fialantsasatra ho an’ny mpianatra. Herinandro sisa dia hiverina an-dakilasy ny kilonga madinika sy ny zatovo. Ho raikitra indray ny henjikenjika arahin-tosika ho an’ny ray aman-dreny.
Fomba fiteny ihany izay! Iaraha-mahalala fa ady goavana tsy nahafahana mandrimandry ny fampidirana mpianatra. Mikararana ny fivoaky ny vola amin’ny saram-pisoratana anarana. Tsy ahitam-boambolana mahalaza azy ny fidangan’ny vidin’ny fitaovam-pianarana. Tsy an-jaza!
Malaza tsy hinanana ilay hoe vakansy. Zary nofinofy sisa, izany hoe, misintaka ny tanàna mahazatra izany. Tsy mahavita mitsidika sy mamangy havana intsony ny mpianakavy. Na ny mpitsidika na ny tsidihina samy sahirana. Zary samy maka ho azy noho ilay vidim-piainana tsy an-jaza.
Tsy izay mahavangivangy intsony izao no tian-kavana fa samy manao ny maha masina an-taniny fotsiny. Na mba te hikolokolo ny tsikalakalam-pihavanana aza izao ny tena tsy afa-manohatra. Tratry ny aretina “Poche vide” na paosy fongana ny ankamaroan-dRamalagasy.
Manoloana izany, anisan’ny andrasana amin’ny fitondram-panjakana ny fanampiana amin’ny fidiran’ny mpianatra. Mila vonjy maika ny isan-tokantrano.

r.r

Partager sur: