TANAN-dehibe: nankatoavina ny Drafi-panajariana

Tontosa omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, teny Anosy, ny atrikasa fankatoavana ny Drafi-panajariana ny tanàn-dehibe na « Plan d’urbanisme directeur » (Pudi). Nanatrika izany ireo solontenan’ny minisitera samihafa, niaraka tamin’ireo ben’ny Tanànan’ireo kaominina hisitraka ny tetikasa. Ankoatra ny fahazoana tanàna mirindra sy milamina, tanjona amin’izany koa ny hampahafantatra an’ireo tomponandraikitra ankehitriny ny ezaka lavitra amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna.
Ity Pudi ity no hifehy ireo fanomezan-dalana rehetra eo anivon’ireo tanàn-dehibe sy ahitana ireo laharam-pahamehana amin’ireo paikady sy tetikasa atao ho fampandrosoana ihany koa. Tanàn-dehibe miisa enina, eto Madagasikara, no hametrahana izay Drafi-panajariana izay. Anisan’izany ny ao Antsiranana, Mahajanga, Toliara, Toamasina, Antsirabe ary Fianarantsoa.
Ny taona 2035 no vinavinaina hanombohana ny tetikasa saingy izao kosa dia efa manomboka ny Drafi-panatanterahana izany, miantomboka amin’ny fanaovana fanadihadiana eny ifotony.

Lin

Partager sur: