Taorian’ny fahombiazana teny amin’ny CGM Analakely. Haseho an-tsehatra eny amin’ny Ivokolo Analakely indray “Ilay ray izay tsy ananako”, iarahana amin’ny Iza, ny alahady 18 aogositra izao. Tantara tena kanto tokoa sy natao ho an’ny rehetra, mitantara lalam-piainana tanora telo mianadahy tafaroboka tao anatin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy fivarotan-tena.
Nisokatra nanomboka omaly, hatramin’ny 14 septambra 2024, eny amin’ny Tranom-pokonolona Analakely, ny “Hosotra-Festival d’arts”. Hetsika ara-javakanto efa fanaon’ireo mpiangaly hosodoko, ihaonan’ny fianakaviamben’ity zavakanto ity, ahitana fampirantiana sy atrikasa ary fifaninanana eo amin’io sehatra io sy ny sary.
Ilaina ny boky, na izany aza, tsy mahasolo mpampianatra! Ilaina ny teknilojia, na izany aza, tsy mahasolo mpampianatra! Iza ilay antsoina hoe mpampianatra? Ny ray aman-dreny, ny zoky, ny mpanabe isan-tsokajiny, ny fiainana iray manontolo. Ny Malagasy miaina izao vanim-potoana izao, anefa, sady tsy mamaky boky no manao tsinontsinona ireo mpampianatra. Tsy mahagaga raha tonga eo amin’ny dingana mampiroborobo fatratra ny « varo-draikiraiky » i Madagasikara!
Efa vonona tanteraka amin’ny fanatanterahana ny “Miss Madagascar 2024” ny mpandray anjara sy ny mpikarakara ny fifaninanana. Raha tsiahivina, ny volana septambra 2024 no hanatanterahina izany. Izay mpandresy eo no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny “Miss monde 2024”.