Tsenaben’ny fitaovam-pianarana : manome lanja ny vokatra eto an-toerana

Mitondra vahaolana hampihenana ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny sy ny sekoly ny “Tsenaben’ny fitaovam-pianarana”, karakarain’ny Cnapmad hatramin’ny faran’ny volana.

Ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny mpitantana sekoly hanomana ny fidirana ho an’ny taom-pianarana vaovao, mikarakara Tsenabe ny Cnapmad eny Ankorondrano. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena. Nanomboka omaly, ary haharitra hatramin’ny faran’ny volana, ny hetsika ahazoan’ny rehetra mividy fitaovana ho an’ny mpanabe sy ny mpianatra, arakaraka ny filana. Manome fihenam-bidy 5% ny tomponandraikitra ao anatin’ny Tsenabe, andiany faharoa, amin’ity taona ity, hoy ny tomponandraiktiry ny Varo­tra ao amin’ny Cnapmad, Radavisy Ledy. Mampiavaka ny fitaovana vokariny ny kalitao sy ny fahatezany ka dimy taona vao manolo indray ny sekoly sy ny ray aman-dreny. Mamokatra solaitrabe, boky fianarana, kojakoja ho an’ny mpianatra, ankoatra ny kahie sy ny penina, latabatra sy seza, fitaovana ampiasaina amin’ny laboratoara any an-tsekoly ary ny fitaovana ho an’ny mpanabe,… ny orinasa.
Tao anatin’ny herintaona no niverina namokatra fitaovam-pianarana sy ho an’ny mpampianatra ny orinasa ary ny sehatra tsy miankina no manao famandrihana betsaka indrindra. Amin’izao fotoana izao, manana filana 65 000 latabatra sy seza ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, avy amin’ny fanoha­nan’ny Banky iraisam-pirenena, ka manana anjara amin’ny fanamboarana ny ampahany amin’izany ny Cnapmad. Ankoatra ny hazo, mampiasa mélamine koa ny orinasa ho fitsinjovana ny fitsitsiana ny hazo kirakiraina. Mamboly hazo koa ny mpiasa hanoloana ireo ampiasaina hamokarana fitaovana.
Foarabe fahatelo amin’ity taona ity no hotanterahina ny fa­ran’ny taona, natokana ho an’ny kilalao manabe ao anatin’ny fetin’ny krismasy. Manome lanja ny vokatra vita eto an-toerana ny orinasa, sady miavaka amin’ny kalitao sy ny fahatezany.

Vonjy

Partager sur: