Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 8 desambra 2024, any Sambava, ny « Waka- Waka Festival”, andiany fahatelo. Hetsika ara-javakanto sy ara-panatanjahantena atao ao amin’ny tanànan’i Sambava izy ity. Ankoatra ny fanandratana ireo tanora misehatra amin’ny fanatanjahantena sy zavakanto amin’iny faritra iny, tanjona ihany koa ny fitondrana vahaolana amin’ny sosialim-bahoaka ao an-toerana. Hisy ny fananganana trano fiterahana amin’ny alalan’ny vola azo amin’io hetsika io. Manohana hatrany izay manasoa ny vahoaka sahala amin’izao ny Orange Madagascar.
Hetsika ara-javakanto sy ara-panatanjahantena maro no ho hita mandritra ny “Waka-waka Festival”. Hanafana ny sehatra mandritra ny 4 andro, ireo mpanakanto, mpihira manana ny lazany eto Madagasikara. Hisy vahiny mpanakanto ihany koa hanampy azy ireo hanafana ny sehatra. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny “Miss Waka-waka”, fifaninanana hatsaram-bika sy tarehy. Tsy hadinoina ny fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny “Mini-marathon” sy ny basikety.
Lin