1st Mobil Rally of Boeny: lasan’i Mathieu sy i Andry Tahina ny fandresena

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany Mahajanga, ny 1st Mobil Rally of Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara eo amin’ny taranja Rallye. Fihaonana nokarakarain’ny klioba Go janga. No­rombahin’ny ekipazin’ny klioba Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Andry Tahina (A.T) ny fandresena. Izy mirahalahy izay nitondra ny fiara Subaru. 1 ora 35 mn 20.1 s ny fe-potoana nahavitany ny hazakazaka nandritra ny hateloana sy nanatontosany ireo dingana manokana «ES» miisa 14. Tombony ho azy mirahalahy ny fahaizany mitazona ny elanelam-potoana sy ny fitandremana teo amin’ireo «ES» rehetra. Tsy niala tao anatin’ireo dimy voalohany hatrany izy ireo, hatrany am-piandohana ka hatramin’ny farany.
Tonga faharoa, i Fred sy i Mick, niaraka tamin’ny Subaru N16. Tara 46.6 s taorian’i Mathieu fotsiny izy ireo. Tsiahivina fa nifampitana ny ekipazy roa tonta, teo amin’ny andro sabotsy, indrindra tao anatin’ireo «ES» efatra farany.
Fahatelo i Aro sy i Fanja niaraka tamin’ny Subaru N15. 1 ora 40 mn 01.9 s ny naha­vitan’izy ireo ity rallye ity. Nanjakan’ny klioba Asacm ny “1st Mobil Rally of Boeny”, satria izy ireo avokoa no telo tonga voalohany teo amin’ny filaharana ankapobeny. Teo amin’ny laharana fahefatra vao nisy ny ekipazy FMMSAM, nahitana an’i Juan sy i Tovohery, nitondra ny fiara Renault Clio. 1 ora 48 mn 05.4 s ny fotoanan’izy ireo.
Dingana manaraka ny “Grand Rallye de Madagas­car”, hatao ny 11, 12, 13 oktobra ho avy izao, karakarain’ny klioba Asa Tana.

Torcelin

Partager sur: