Ankadimbahoaka: jiolahy roa lavon’ny polisin’ny Sag

Maty voatifitry ny polisy eo anivon’ny Sag, ny jiolahy miisa roa tetsy Ankadimba­hoaka, afakomaly hariva. Nivezivezy teny amin’ny ma­nodidina ireo olon-dratsy, izay efa nitondra fitaovam-piadiana. Nihaodihaody tsy lavitra ny foiben’ny vondron’orinasa matanjaka iray eny an-toerana izy ireo. Nanatona hisambotra azy ireo ny polisim-pirenena saingy nanda izany ireo jiolahy. Tsy nanaiky hosamborina ireto farany sady namoaka fitaovam-piadiana mahery vaika. Nifanenjehana, raikitra ny poa-basy. Lavon’ny bala ny roa lahy. Ikoizana amin’ny fanaovana vaky trano sy fanendahana eny amin’ny faritra Namontana sy Paraky, hatrany Ankadimbahoaka, izy roa lahy niara-maty ireto. Marihina, anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahelamana toy ny hala-boty sy fanendahana ireo faritra telo ireo. Ankoatra io, manao fikarohana ny namany sy ny mpiara-manao io asa ratsy io amin’ireo jiolahy ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: