Cité Ampefiloha-60 taona: nandray anjara ny mpanakanto avy ao an-toerana

Mankalaza ny faha-60 taona nisiany ny cité Ampefi­loha, eto Antananarivo. Fom­ba maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny zoma sy sabotsy teo. Anisan’izany ny fametrahana ny tsangambato, ny hetsika ara-tsosialy, ara-kolontsaina…, ho an’ireo zanaky ny mponina eny an-toerana. Ho an’ny hetsika ara-kolontsaina manokana, nisy ny fampisehoana maimaimpoana natao tetsy amin’ny arabe Ampefiloha nandritra ny roa andro. “Maro ny mpanakanto nivoaka avy eo anivon’ity tanàna ity, nomena vahana kokoa nanafana ny seho nandritra izany”, hoy Rambelo­manana Rindra, tomponandraikitra eo anivon’ny komity mpikarakara, toa an’i Apost, Balafomanga … Nisy ihany koa ireo mpanakanto namana nandray anjara tamin’izany, toa an-dry Princy, Tsiakoraka … Nanao hira telo sy efatra teo avy izy ireo teny ambony sehatra nanomezana fahafaham-po ny mpijery izay tonga marobe tokoa. “Natokana ho an’ny mponina eny an-toerana ny hetsika, tsy nanosika ny mponina avy any ivelany ihany koa anefa izany”, hoy hatrany izy. Fampisehoana natao tao anatin’ny firaisankina sy ny fifankatiavana tanteraka. Tamin’ny roa ora tolakandro ka hatramin’ny iray ora maraina teo ny faharetan’ny fiarahan’ny mpanakanto sy ny mpankafy. Nahazo alalana izy ireo tamin’ny fanapahan-dalana nandritra ny fanatanterahana ny hetsika. Efa niverina tamin’ny laoniny avokoa ny lalana sy ny fifamoivoizana teny an-toerana nanomboka omaly maraina.

Mino

Partager sur: