Fandaharana televiziona : mivoatra ny tolotry ny Startimes

Manatsara ny tolotra omeny ny mpanjifa ny orinasa mpamokatra fandaharana televiziona, StarTimes. Azony ny fahazoan-dalana manokana, hamoahana eto Madagasikara ny lalao mivantana, ny fifanintsanana baolina kitra espaniola, «La Liga 2024-2025» rehetra, mahatratra 380. Ho hita ao amin’ny sampam-pandaharana «ST Premium sy ST Sports Life». Misy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanao gazety matihanina amin’ ny baolina kitra, Daniel Andriamaro sy mpanentana, Edouard Ratovoson, hanao fanadihadiana ny lalao samihafa. Ho hita amin’ny sampam-pandaharana UPTV izany fanadihadiana izany. Misy koa ny fitantarana mivantana ny lalao sasany amin’ny teny malagasy.

Nambaran’ny tomponandraikitry ny StarTimes, fa tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny sokajin’olona sy sokajin-taona rehetra, ka anisan’ny nomena vahana manokana indray ny lafiny fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra.

Njaka A.

Partager sur: