Ho mafy hatrany ny tsiokan’ny alizay ato
anatin’ny telo andro manaraka. Tombanana hisy alondrano avy atsimo na atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanana, ka hahery ny ranomasina eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy Mahanoro, hatrany amin’ ny tanjona Bobaomby. Nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy ho avy izao ny fampitandremana.
Noraisin’ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga ny mpianatra enina nanao fianarana asa tany Maurice, teny anivon’ny ivontoeram-pampianarana momba ny fizahantany. Nahazo fifanarahana asa roa taona sy certificat nomen’ny trano fandraisam-bahiny manana kintana efatra na dimy izy rehetra. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny l’Hôtel Pearle Beach Resort & Spa et l’Hôtel Labourdonnais no nahazoana nanatanteraka izany.
Miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC ny Croix Rouge Malagasy ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Hanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana an-tanana amin’ny maha olona sy fanomezana fanampiana ireo olona traboina na ireo fianakaviana marefo rehefa misy ny loza izany. Isan-taona, maro ny hetsika iarahan’ny roa tonta manatsara ny lentan’ny fiomanana. Anisany ny atrikasa fakan-kevitra famolavolana ny paikadin’ny faritra Anosy momba ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra.
Rehefa ao anatin’ny hamehana, anisan’ny Dispositif minimun d’urgence (DMU) apetraky ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ny tahirim-panafody ho an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH.