Mompera Barex : «Hampandroso ny any Toliara ny fitrandrahana fasimainty»

Mitovy hevitra amin’ireo mponina any ifotony koa ny mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana Katolika any amin’ny diosezin’i Toliara. Hamafisin’izy ireo fa hitondra fampandrosoana any Atsimo Andrefana ny fanokafana indray ny Base Toliara.

Mitovy hevitra amin’ireo mponina any ifotony koa ny mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana Katolika any amin’ny diose­zin’i Toliara. Hamafisin’izy ireo fa hitondra fampandrosoana any Atsimo Andrefana ny fa­no­kafana indray ny Base Toliara.
Liana amin’ny tetikasa goa­vana rehetra mitondra fampandrosoana ireo mpitondra fivavahana Katolika. Nivory niaraka tamin’ny solontenan’ny orinasa Base Toliara izy ireo ny fiandohan’ny volana jona 2024 teo, nahalalana bebe kokoa ny tetikasa. Efa nahafantatra ny fampandrosoana ho an’ny mponina ireo mpitondra fivavahana ireo, fony mbola ny Toliara Sands, nisantatra voalohany ny Base.
Nisy ny fotoana efa nanatonana ny teknisianina, nahalalana ny fitrandrahana fasimainty (fisafoana, fanadihadiana, fitrandrahana, fanondranana, fanodinana, sns). Notsidihina indroa miantoana ny fitrandrahana any Taola­gna­ro, ahita-maso mivantana ny tena misy. Nitsotra ny mompera Barex fa «tsy misy mihi­tsy ny olana, tsy miantraika amin’ny fahasalamana sady tsy miteraka aretina ny fitrandrahana. Tena hita mivaingana ny fampandrosoana entiny, ny fisian’ny seranan-tsambo, ny herinaratra, ny fotodrafitrasa sosialy marobe miorina, toy ny sekoly ary mandroso ny fanarenana ala».

Naely ny vaovao tsy marina
Raha ny zava-misy any Toliara, notsindrian’ny mompera Barex fa «tsy manao afa-tsy ny manaparitaka vaovao tsy marina ireo mpanohitra ny tetikasa Base, na tsy mbola manomboka akory aza. Efa nandray fepetra maro anefa ny tompon’ny tetikasa, ary voamarinay izany. Ireo mpanohitra izay olom-bitsy mpanao politika. Izany no nanosika anay nivavaka bebe kokoa teny amin’ny morontsirak’­Anda­boy, ho anay avy any Ambohitsabo, faritra voakasiky ny tetikasa».
Nametraka fanontaniana ity mpitarika ny Fiangonana Katedraly Md Vincent de Paul any Toliara ity fa «tsy misy afa-tsy any Toliara ve ny fasimaintsy? Inona no mahatonga azy tena ahenoana vaovao tsy marina toy izao? Manan-danja anefa ity tetikasa ity, hanome asa ny tanora, hampandroso ny fiharian’ny mpamatsy tolotra samihafa (mpivarotra, mpamokatra,…)…”. Efa ao anatin’ny drafitrasan’ny Base ny fanarenana ny faritra notrandrahina toy ny efa ataony any Kenya. Teny am-pamaranana, nomarihiny, fa heviny manokana ireo nolazainy rehetra ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: