Niady telefaonina : lehilahy maty, voadaroky ny zandriny

Voan’ny totohondry mafy teo amin’ny tenda, namoy ny ainy ny lehilahy iray vokatry ny daroka nataon’ny rahalahiny azy. Nosamborina ity farany.

Nosamborin’ny zandarimaria, afakomaly, ny lehilahy iray voarohirohy ho namono nahafaty ny rahalahiny, iray kibo aminy, tao amin’ny kaominina Am­batomainty, faritra Melaky. Namoy ny ainy ny 12 aogositra lasa teo, nolazaina fa matin’ny tsy fahasalamana ny zokin’io lehilahy io. Nanokatra fanadihadiana vokatry ny fitoriana voarainy ny mpitandro filaminana. Niady finday, notifirin’ny zandriny lahy totohondry tampoka teo amin’ny tendany io zokiny 41 taona io, araka ny fanadihadian’ny zandary. Tsy nahatsiaro tena in­tsony, nentina novonjena teny amin’ny hopitaly io lehilahy io. Tsy tana intsony ny ainy.

Niaiky heloka
Taorian’ny fandevenana, ny 16 aogositra teo, natao famotorana lalina teo anivon’ny Tobim-paritry ny zandary ao an-toerana ilay zandrin’ny maty. “Niaiky heloka tokoa izy. Nisy fifamaliana noho ny ady telefaonina teo amin’izy mirahalahy”, hoy ny fanamafisan’ny mpanao fanadihadiana. Samy nisotrosotro zava-ma­hamamo izy roa lahy tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Samy tsy nahafehy tena intsony, kinanjo nahazo ny faritra saropady tampoka tamin’ny iray ny daroka. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fana­dihadiana ny nahavanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: