Salon des études universitaires et des formations: anomezana torolalana momba ny lalam-piofanana

Hotanterahina ny 22 sy 23 aogositra 2024 izao ny «Salon des études universitaires et des formations», andiany fa­ha­roa. Hetsika maimaimpoana atao etsy amin’ny foiben’ny Oriental International Anka­sina Ankazomanga. “Tanjona ny hahafahan’ny ankizy sy ny tanora hahay hisafidy ny lalam-piofanana tiany hatao rehefa eny amin’ny Oniver­site», hoy Rakotoseheno Zina, mpikarakara, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tetsy amin’ny hotel Anala­manga Tanjombato, ny zoma lasa teo. Ahitana Oniversite 40 mahery eto an-toerana sy iraisam-pirenena ary hatramin’ny école doctoral handray anjara amin’ny fampirantiana eny an-toerana. Misy ny fifanakalozana sy fifampizarana ho an’ny tanora isaky ny tranoheva. “Anomezana torolalana ho an’ireo ankizy mahakasika ny fisafidianana ny lalam-piofanana arahina eny amin’ny Oniversite, mifanaraka amin’ ny fahaizana tany am-pianarana”, hoy hatrany izy.

5 000 ny mpitsidika andrasana
5 000 ireo mpitsidika ma­ne­rana ny lafivalon’ny Nosy an­drasana mandritra ny hetsika, raha ny fanazavana voaray hatrany. Anentanana indrindra ireo ankizy vao afaka ny fanadinam-panjakana bakalorea ho avy hanatrika izany. Ham­piavaka ity andiany faharoa ity ny hisian’ny “tirage au sort” ahafahana misitraka vatsim-pianarana any ivelany ho an’ireo tsara vintana. Ankoatra izay, misy ny tolotra vatsim-pianarana manodidina ny 50% ho an’ireo ankizy maniry ny hianatra any Inde ataon’ny «Sharda University».

Mino

Partager sur: