Any Mahajanga indray no hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny mpiasam-panjakana (Asief), ho an’ny taona 2025. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny “Asief 2024”, izay notontosaina tany Antsirabe.
Hatao any Antsirabe, manomboka ny 25 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy U20, lehilahy sy vehivavy. Ekipa vehivavy 8 sy ekipa lehilahy 11 no hifaninana mandritra izany.
Nifarana omaly, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety U18, lehilahy sy vehivavy. Voahosotra ho tompondaka, sokajy lehilahy, ny BCEST. Ny Sepa ABM kosa no nahazo ny fandresena, teo amin’ny sokajy vehivavy.