TARATRY ny KANTO

“Hosotra-Festival d’arts”, atao etsy amin’ny Tra­nompokonolona Analakely, hatramin’ny 14 septambra 2024 izao. Hetsika ara-javakanto fanaon’ireo mpiangaly hosodoko. Fotoana ahafahan’ny ianakaviamben’ity zava­kanto ity mihaona. Fotoana hampirantiana asa tanana sy hanaovana atrikasa ary fifaninanana eo amin’io sehatra io.
Asa tanana hosodoko. Ampirantiana hatramin’ny 23 septambra, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanima­lo, ireo asa tanana vaovao novokarin’i Andy Jeremy. 11 ny fitambaran’ireo hosodokony hita eny an-toerana. « Samy mandeha, samy miady », io ny lohatenin’ny he­tsika. Niainga tamin’ny trangam-piainana andavanandro sy ny eny anivon’ny fiarahamonina ny talenta asehony . Anisan’ny nanamarika azy indrindra ny “Echec et maty”.
Natao ny sabotsy lasa teo, tany Soavinandriana Itasy, ny famaranana ny “Herinandron’ny kabary », andi­any faha-18. Hetsika lehibe tanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Mba hampivondronana sy hanatevenenam-pahalalana eo amin’ny mpikabary. Fotoana nanaovana hetsika isan-karazany, toy ny famoahana andiany…
Vokatra hiragasy 2024. Namoaka hira vaovaobe ny mpihiragasy Ranoelison avy any Ampahimanga Arivo­nimamo. Nampitondraina ny lohateny hoe: “Ataovy ihany dia ho hitanao ny tohiny”, no naton’izy ireo lohateniny. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny Fano Prod amin’ny fanantontosana ny horonantsary.

Partager sur: