VAOVAO TAMBATRA

Maro ny karazan-trondro azon’ny mpanjono ao Mahajanga. Nijery ifotony izany ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert, ny herinandro lasa teo, sady niresahany ny haben’ny trondro sy ny vidiny ary ny lalam-barotra. Noresahina koa ny teknikam-panjonoana sy ny fahazoan-dalana hanjono. Nentanin’ny minisitra izy ireo mba hanara-dalàna, mba tsy hahalany tamingana ny vokatra.

Ny 3 septambra ho avy izao ny fe-potoana farany fisoratana anarana, ho an’ireo maniry hanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena “Convention des Parties (Cop)”, mahakasika ny ady amin’ny fahangazanana (UNCCD). Ny 15 septambra kosa ho an’ny Cop momba ny fiovan’ny toetr’andro (UNFCCC). Any amin’ny Vovonana voatondro hisahana azy tsirairay ny toerana hanaterana ny antontan-taratasy ilaina.

Nahazo sambokely haingam-pandeha miisa 8 sy fitaovam-panjonona ny mpanjono ao amin’ny kaominina miisa 5, distrika Diego II. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Kobaby”, tanterahin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny orinasa Sahanala. Manjono ao anatin’ny tandavan-dranomasina ahitana helidrano 7 (Corridor marin des 7 baies) ireo mpanjono ireo, iarahan’ny Conservation international sy ny VOI mitantana.

Partager sur: