Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy miisa fito mpanao asa ratsy eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Efa misy intelo nifonja ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Manendaka sady mamaky trano eny amin’ireo kaominina manodidina izy. Manao fanafihana mitam-piadiana, mamaky fiara sy manendaka eny amin’ny toerana mangingina, toy ny eny Ambohibe, kaominina Ilafy, hatrany Mahatsara Betsizaraina, izy fito lahy ireo. Nanao vela-pandrika ny zandary ka voasambotra ny fito lahy. Niaiky heloka, manao io asa ratsy io indroa isaky ny herinandro izy ireo, araka ny fanadihadiana. Ankoatra ireo, telo lahy mpandray ireo entana halatra koa noraisim-potsiny taorian’ny nahatrarana ireo tompon’antoka. Niara-natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana izy fito lahy ireo.
Tsiferana R.