Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ny arabe migodana hosoritina amin’ity taona 2024 ity. Novaina ny soritry ny lalana, tsy hikitika ny vakoka sy ny tanimbary.
Mitohy ny asa fanamboarana ny arabe migodana, miainga eto Antananarivo mankany Toamasina. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), fa lalana mahazaka fiara roa mandroso sy fiara roa miverina no hatao, araka ny fenitra maha « autoroute » azy. Miditra amin’ny fandravonana ny tany ny asa, ankehitriny, manaraka ny soritry ny lalana vaovao voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitra. Mitotaly 260 km ny arabe hatao, Antananarivo-Toamasina. Hatao amin’ny ampahany voalohany ny 80 km ary ho rakofana godirao ny 25 km mialoha ny faran’ity taona 2024 ity.
Nomarihin’ny minisitra MTP, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, fa niarahana tamin’ny mpiara-misehatra amin’ny tontolo iainana, toy ny fiarahamonim-pirenena (OSC), ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE), ireo ONG sy fikambanana miaro ny tontolo iainana samihafa izany.
Tsy ho kitihina ny faritra arovana
Manampy ireo, ny Unesco izay miaro ny vakoka ara-kolontsaina, ka novaina ny soritry ny lalana tsy handalo ny Rovan’Ambohimanga, izay vakoka iraisam-pirenena.
Eo koa ny tanimbary izay tena notsindrian’ ny Filoham-pirenena mafy ny tsy hikitihina na hanotofana azy intsony. Misy soritra lalana manasaraka fiangonana sy tanàna, ka nakisaka ihany koa.
Efa azo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Araka izany, tsy ho kitihina ny faritra arovana (AP), toy ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ), ohatra. « Tsy izahay velively no hanimba ny tontolo iainana, sady manaja ny bokin’andraikitra. Hotadiavina ny marimaritra iraisana, ary efa hita sy tsinjo ny soritry ny lalana hatao, mahakasika ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina », hoy ihany ny minisitra.
Njaka Andriantefiarinesy