Baolina kitra – D2 Nasionaly: ho any Ambositra ny AS Ste Anne

Afaka efatr’andro, hanomboka indray ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ”World Ligue des Champions D2 Nasionale”. Hatao ny 23 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao ny fifaninanana. Ekipa 12 no tafita hiatrika izany: ny FC Theo, ny Zoya FC, ny AS St Anne, ny Tia Kitra, ny FC Jaboady, ny AS Fos, ny Jet Kintana, ny Sphinx Academy. Manampy ireo ny FC 119, ny AS Comato, ny FCA Ilakaka, ary ny FC Avenir du Sud. Araka ny vaovao voaray omaly, hanainga ny talata ho avy izao, eto Antananarivo ny solotenan’Analamanga, As Ste Anne. Tsiahivina fa miray vondrona amin’izy ireo ny FC Avenir du Sud, ny FCA, ny As Comato, ny Sphinx Academy ary ny Jet Kintana. Tsara ny mampahatsiahy fa tanjon’ity tom­pondakan’Analamanga ity ny hiakatra ao amin’ny fifanintsanana diviziona voalohany, « Pureplay Football League » (PFL). Ankoatra izay, maro amin’ireo klioba, izay nisafidy ny tsy hitonona anarana, no miantso ny tomponandraikitry ny fifaninanana ao amin’ny FMF, mba hijery ny mahakasika ireo klioba nanao “mutation” amin’ny mpilalao hafa nefa tsy ara-dalàna ny taratasiny.

Fitia Randria

Kianja Ambatondrazaka : Tia Kitra, AS Fos, FC Jaboady, FC Zoya, FC 119 ary FC Theo.
Kianja Ambositra : FC Avenir du Sud, FCA, AS Comato, Sphinx Academy, ary ny Jet Kintana.

Partager sur: