Mitohy hatrany ny fahombiazan’ny klioban’ny BCEST (Basketball club éspoirs sportifs de Tuléar). Taorian’ny nahazoana ny anaram-boninahitra teo amin’ny basikety U14 sy ny Handball, sokajy zandriny, nandrombaka indray ny U18 lehilahy, ny faran’ny herinandro teo izy ireo. “Nisy vidiny ny ezaka natao aman-taonany maro. Na tsy nahazo anaram-boninahitra aza teo aloha, nisy fikirizana tao”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Est, i Vital Serge. Maro, hoy izy, ny fanamboarana natao ary manomboka mioty vokatra ny fikambanana amin’izao. Ny Est ihany hatreto, ankoatra ny Cosfa, no manana rafitra miavaka, izany hoe, manana taranja maro ao anaty fikambanana iray ary nahazo anaram-boninahitra tamin’ny taranja samihafa, toy ny teo amin’ny handball sy ny basikety. Niavaka ihany koa izany vokatra izany satria tao anatin’ny iray volana monja no nangalana anaram-boninahitra 4. “Nisy ihany koa ny faharetana”, hoy hatrany ity filohan’ny klioba ity. Ny fiadiana ny hotompondakan’i Madagasikara, sokajy U20, indray izao no hatrehin’ny Est manaraka, izay hatao any Farafangana, manomboka ny 24 aogositra izao.
Mi.Raz