BIMTT : lavitr’ezaka ny fiandrianana ara-tsakafo

Tontosa tetsy amin’ny sekoly Masina Misely Ampa­ribe, ny faran’ny herinandro teo, ny fihaonamben’ny Birao ifandraisan’ny mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny tantsaha (BIMTT), hivondronan’ireo mpampiofana eo anivon’ny fiangonana efa-tonta: Kato­lika, FJKM, Loterana ary Ang­likanina. « Mbola lavitra ny ezaka ho an’ny fiandrianana ara-tsakafo raha ny eto Mada­gasikara, manoloana ny olana goavana iainan’ny tantsaha sy ny vahoaka malagasy », hoy Rajoelisolo Rako­tondrajaona, tonian’ny BIMTT, raha nanontaniana teny an-toerana.
Nambarany fa tsy misy famokarana hanjary koa raha tsy misy ny lamina ara-tany, izay anisan’ny olan’ny ny tantsaha. Azo avy amin’ny fandovana ny hananan’ny olona iray tany volena. « Tsy mahavelona tantsaha ny velaran-tany iainany, raha ho an’ny eto Analamanga », hoy hatrany izy. Olana any ambanivohitra ahitana tany malalaka nefa ny tsy fandriampahalemana. Sarotra ho an’ny tantsaha madinika, ankehitriny, ny hahazo tany raha tsy misy manampy izy ireo. Anisan’ny ady sisika ataon’ny fikambanana BIMTT ny fitondrana ireo olana rehetra mianjady amin’ny tantsaha ireo. Tanjona ny hananan’ny vahoaka malagasy fiandrianana ara-tsakafo. Vonona hiara-hiasa amin’ny fanjakana izy ireo amin’ny fitadiavana ny mahasoa ny vahoaka.
Tambajotra niforona tamin’ny taona 1974 fa vitsy mpahafantatra ny BIMTT. Iraka iandreketan’izy ireo ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny teknisianina eo anivon’ny fiangonana mba hahafahany mampivoatra ny eny ambanivohitra. Nisongadina tamin’ny zava-bitan’izy ireo ny famokarana tantanim-pianakaviana amin’ny alalan’ny teknika famokarana mirindra. Nanam­py ny tantsaha sy ny vahoaka malagasy teo amin’ny olan’ny fananan-tany ihany koa izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona nijoroan’ny fikambanana ny hetsika natao nandritra ny roa andro.

Mino

Partager sur: